<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>384</hymn_number>
<title>Ry olom-bery, tsy ho very foana ny andronao FFPM384</title>
<lyrics>[V1]
 Ry olom-bery, tsy ho very
 Foana ny androanao,
 Raha 'mby an-tsainao, fa ny
 ainao
 Tsy fanananao,
 Ny hery misy, nefa indrisy,
 Resim-pahalainana !
 Atý an-tany mora lany
 Ny fiainana.
 Mba mazotoa, ry havako,
 Ka aoka hoheverinao
 Ny andro lasa, sao ny asa
 Tsy ho vitanao.

[V2]
 Ka manenena, miambena,
 Mivavaha hianao !
 Efao ny ady, ao ny kiady
 Voninahitrao.
 Mba ahitsio ankehitrio
 Ny dia sisa hatrizao,
 Fa be ny simban'ny
 mpanimba
 Ka migadra izao.
 Sakaiza, ô fantaronao,
 Fa nijalian'ny Tomponao
 Ny fahotana tsy ialana,
 Ilalaovanao.

[V3]
 Dia mba ampio sy tahio
 Izahay, ry Tomponay,
 Fa mba hiady ka hitady
 Vonjy ho anay.
 Homenao soa ny manoa
 Amin'ny fotoanao.
 O, ry Mpanjaka avia haka
 Ny malalanao,
 Ny olonao dia te hankao
 An- danitra fonenanao.
 Ry Jeso tia, mba avia
 Faingana izao !</lyrics>
</song>